Mark 9

1Hoy Izy tamin’izy ireo hoe: “Lazaiko aminareo marina tokoa, fa misy aminareo izay mitsangana eto no tsy hanandrana izany fahafatesana izany mialohan’ny hahitan’izy ireo ny fanjakan’ Andriamanitra izay ho avy amin’ny hery lehibe.” 2Ary enina andro taty aorina, dia nentin’i Jesosy niaraka taminy Petera sy Jakoba ary Jaona teny amin’ny tendrombohitra avo, ary izy ireo irery no tany. Avy eo niova tarehy teo anatrehan’izy ireo Izy. 3Ny fitafiany niova nanjelanjelatra no sady mazava, ary fotsy indrindra, fotsy mihoatra ny zavatra nampamotsiana indrindra teto ambonin’ny tany.

4Avy eo Elia sy Mosesy niseho tamin’izy ireo, ary niresaka tamin’i Jesosy izy ireo. 5Petera namaly ka niteny tamin’i Jesosy hoe: “Raby ô, tsara raha mitoetra eto isika, koa andeha hanao lay telo, ny iray ho Anao, ny iray ho an’i Mosesy, ary ny iray ho an’i Elia.” 6(Fa tsy fantany izay tokony ho tenenina, satria natahotra mafy izy ireo.)

7Nisy rahona tonga ka nanarona azy ireo. Ary nisy feo nivoaka avy ao anatin’ny rahona hoe: “Ity ny Zanako Malalako. Mihainoa Azy.” 8Tampoka teo, raha nijery ny manodidina izy ireo, dia tsy nahita na iza na iza intsony, afa-tsy Jesosy irery ihany.

9Raha nidina avy eny an-tendrombohitra izy ireo, dia nodidiany mafy mba tsy hilaza na amin’iza na amin’iza ny zavatra hitan’izy ireo, raha tsy efa mitsangana amin’ny maty ny Zanak’Olona. 10Ary dia notanan’izy ireo ho azy ireo izany teny izany, kanefa nifampanontany ireo ny amin’ny mety ho dikan’izany “fitsanganana amin’ny maty” izany.

11Nanontany Azy izy ireo hoe: “Nahoana ireo mpanora-dalàna no manambara fa tsy maintsy ho avy mialoha Elia?” 12Dia hoy Izy tamin’izy ireo hoe: “Efa tonga voalohany Elia hanarina ny zavatra rehetra. Ary nahoana no voasoratra fa ny Zanak’Olona dia hijaly mafy amin’ny zavatra maro ary hatao toy ny olona tsy misy dikany? 13Nefa lazaiko aminareo fa efa tonga Elia, ary nataon’ny olona taminy izay sitraky ny fony, araka izay efa voalazan’ny Soratra Masina momba azy.”

14Ary rehefa niverina teo amin’ny mpianatra izy ireo, dia nahita vahoaka be nanodidina azy ireo ary ireo mpanora-dalàna niady hevitra taminy. 15Raha vao nahita an’i Jesosy izy ireo, dia talanjona ny vahoaka rehetra ary raha iny nihazakazaka nanatona Azy iny izy ireo dia niarahaba Azy. 16Nanontany ireo mpianany Izy hoe: “Momba ny inona no hiadianareo hevitra amin’ireo.”

17Ary nisy iray tamin’ireo vahoaka namaly Azy hoe: “Mpampianatra ô, nentiko ho eto aminao ny zanako lahy. Misy fanahy ratsy tsy mampiteny azy izy. 18Misambotra azy io ka mampienjerazera azy ary mandoa vory izy, mikitro-nify, ary lasa mihenjana izy. Nangataka tamin’ireo mpianatrao ny tenako mba hamoaka izany hiala aminy, kanefa tsy vitan’izy ireo izany.” 19Ary namaly azy ireo Izy hoe: “Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako eto aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento ety amiko izy.”

20Ary nentina teo aminy ilay zazalahy, ary raha vao nahita an’i Jesosy ilay fanahy ratsy, dia nampifanintontsitona azy izany. Nianjera tamin’ny tany ilay zazalahy ary feno vory ny vavany. 21Jesosy nanontany ny rainy hoe: “Hafiriana no naha- toy izao azy?” Dia hoy ny ray hoe: “Efa hatramin’ny fahazazany.” 22Indraindray io fanahy ratsy io nandavo azy tany anaty afo na tany anaty rano ary nanandrana ny hamotika azy. Raha mahay manao ny zavatra rehetra Ianao, dia miantrà anay ary ampio izahay.”

23Jesosy niteny taminy hoe: “’Raha mahay ianao’? 24Ny zavatra rehetra dia hain’izay mino.” Ary niaraka tamin’izay ny rain’ilay zaza dia nihiaka mafy nanao hoe: “Mino aho! Ampio aho amin’ny tsy finoako!” 25Rehefa hitan’i Jesosy ireo vahoaka nihazakazaka nanatona azy ireo, dia noteneniny mafy ilay fanahy maloto ary nanao hoe: “Ry fanahy moana sy marenina, mandidy anao Aho, mivoaha aminy, ary aza miverina miditra ao aminy intsony.”

26Nihiakiaka mafy izany ka nampifanintona mafy ilay zazalahy ary avy eo nivoaka. Tahaka ny olona maty ilay zazalahy, ka maro no niteny hoe: “Maty izy.” 27Fa Jesosy nandray azy tamin’ny tanana ka nanarina azy, dia nitsangana ilay zazalahy.

28Ary rehefa niditra tao an-trano Jesosy, dia nanontany Azy manokana ireo mpianany hoe: “Nahoana izahay no tsy nahavoaroaka ilay fanahy ratsy?” 29Hoy izy tamin’izy ireo hoe: “Ny tahaka ireny dia tsy afaka roasina afa-tsy amin’ny alalan’ny vavaka.”

30Niala teo izy ireo ary nandalo tany Galilia. Tsy tiany ho fantatr’iza na iza hoe taiza izy ireo, 31fa nampianatra ireo mpianany Izy. Hoy Izy tamin’izy ireo hoe: “Ny Zanak’Olona dia hatolotra eny an-tanan’ny olona, ka ho vonoin’izy ireo Izy. Ary rehefa voavono Izy, dia hitsangana amin’ny maty indray afaka telo andro.” 32Fa tsy takatr’izy ireo io fanambarana io, ary natahotra izy ireo hanontany Azy.

33Avy eo tonga tao Kapernaomy izy ireo. Rehefa avy niditra tao an-trano Izy dia nanontany azy ireo hoe: “Inona ny zavatra nifampiresahanareo teny an-dalana?” 34Fa nangina izy ireo. Satria efa niady hevitra teny an-dalana izy ireo ny amin’izay lehibe indrindra. 35Nipetraka, dia niantso ireo roambinifolo lahy niaraka Izy ary niteny tamin’izy ireo hoe: “Raha misy te-ho voalohany, dia tsy maintsy farany amin’ny rehetra izy ary ho mpanompon’ny rehetra.”

36Naka zazakely iray Izy ary nataony teo anivon’izy ireo. Notrotroiny teny an-tsandriny izy ary niteny tamin’izy ireo hoe: 37“Na iza na iza mandray ny zaza tahaka izao amin’ny anarako, dia mandray Ahy koa, ary raha ka misy mandray Ahy, dia tsy mandray Ahy irery izy, fa Ilay naniraka Ahy koa.”

38Hoy Jaona Taminy hoe: “Mpampianatra ô, nahita olona namoaka demonia tamin’ny anaranao izahay ary norarànay izy, satria tsy manaraka antsika.” 39Fa Jesosy nanao hoe: “Aza mandrara azy, fa tsy misy olona hanao asa lehibe amin’ny anarako nefa vetivety aorian’izay dia hilaza zavatra ratsy momba Ahy.

40Na iza na iza tsy manohitra antsika dia momba antsika. 41Na iza na iza manome anao rano eran’ny kaopy ho sotroina satria an’i Kristy ianao, dia lazaiko aminao marina tokoa, fa tsy ho very ny valim-pitiany.

42Fa na iza na iza manafintohina ny iray amin’ireo kely mino Ahy ireo, dia tsara ho azy ny anantonana vato lehibe fikosoham-bary mifatotra eo amin’ny vozony ary hazera any an-dranomasina. 43Raha ny tananao no mahatonga anao ho tafintohina, tapaho izany. Fa tsara aminao ny miditra kilemaina any amin’ny fiainana toy izay manana tanan-droa ary handeha any amin’ny helo, any amin’ny afo tsy mety vonoina. 44[Fanamarihana: Ny fandikana tsara indrindra dia tsy manisy ny fehezanteny ao amin’ny andininy faha44 sy 46 hoe: “’Izay tsy maty mihitsy ny kankan’izy ireo ary ny afo tsy ho faty mandrakizay.”’]

45Raha ny tongotrao no manafintohina anao, tapaho izany. Tsara kokoa aminao ny miditra mandringa any amin’ny fiainana noho ny manana tongotra roa ary hariana any amin’ny helo. 46[Jereo ny fanamarihana eo amin’ny andininy faha 44]

47Raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izany. Tsara aminao ny miditra ny fanjakan’Andriamanitra miaraka amin’ny maso tokana toy izay maso roa ary hariana any amin’ny helo, 48any amin’ny toerana izay tsy mahafaty ny kankan’izy ireo, ary ny afo tsy mety vonoina.

49Fa ny olona rehetra dia samy ho voasira amin’ny afo. Tsara ny sira, fa raha ny sira no tonga matsatso, ahoana no ahafahanao mampasira azy indray? Asio sira ao aminareo, ary mihavàna amin’ny tsirairay avy.”

50

Copyright information for PltULB